Zephaniah 1:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mangina eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO; ary NY TOMPO efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra ka efa nanamasina ny olona nasainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron’i Iaveh, satria efa nanomana sorona i Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mangina eo anatrehan’ny Tompo ANDRIANANAHARY fa efa akaiky ny andro hirotsahany an-tsehatra! Efa nanomana sorona ny TOMPO, ary efa nanadio ireo olona nasainy.
Malagasy Bible 1865
Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mangina eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO; ary NY TOMPO efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra ka efa nanamasina ny olona nasainy.
malagasy
Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.