Zephaniah 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahatahotra azy NY TOMPO satria hanafoana ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany Izy; hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO ny nosin’ny Jentilisa rehetra, samy any amin’ny fitoerany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hahatsiravina ny hataon’ny TOMPO aminy; hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona. Koa na ireo hafa firenena faran’izay lavitra aza dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy, samy any amin’ny taniny avy.
Malagasy Bible 1865
Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahatahotra azy NY TOMPO satria hanafoana ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany Izy; hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO ny nosin’ny Jentilisa* rehetra, samy any amin’ny fitoerany avy.
malagasy
Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.