Zephaniah 2:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy ny biby isan-karazany; ny sama sy ny sokina vy no haka fonenana any amin’ny loha andriny; hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely; ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao amin’ny toerana nisy an’i Ninive dia handrian’ny omby aman’ondry sy ireo karazam-biby samy hafa; honenan’ny vorondolo sy tararaka eny an-tampon’ireo andrin-tranony, feom-borona no ho re eo am-baravarankely, faharàvana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera.
malagasy
Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.