Zephaniah 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no tanàna niravoravo sady nandry fehizay, izay niteny anakampo hoe: Izaho no izy ary tsy misy hafa! Endre! Tonga lao izy; eny, fandrian’ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisiotsioka mafy sy hanondro tanana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Io no ilay tanàna niravoravo, nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe: Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho! Ahoana no nanjariany ho efitra, sy fonenan’ny biby! Na iza na iza handia azy, dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hiafaran’ilay tanàna fatra-pirehareha, sady niaina tamim-pilaminana ary nihevi-tena ho tsy manan-tsahala. Indrisy, efa tonga lao izy izao ary fierem-biby! Izay rehetra mandalo eo akaikiny dia hisioka sy hanakifi-tanana ho fanesoana azy.
Malagasy Bible 1865
Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no tanàna niravoravo sady nandry fehizay, izay niteny anakampo hoe: Izaho no izy ary tsy misy hafa! Endre! Tonga lao izy; eny, fandrian’ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisiotsioka mafy sy hanondro tanana azy.
malagasy