Zephaniah 2:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, dia ho tahaka an’i Sodoma tokoa i Moaba, ary ny taranak’i Amona dia ho tahaka an’i Gomora, ho toerana feno ahi-dratsy sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; ny sisa amin’ny oloko no hamabo azy ary ny sisa amin’ny fireneko no hahalasa azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa velona AHO ary mianiana fa ho levona i Môaba sy i Hamôna, ho tahaka ny tanànan’i Sôdôma sy Gômôra ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira ary ho tany lao mandrakizay; ho avy handroba sy haka ny taniny ireo sisa velona amin’ny vahoakako».
Malagasy Bible 1865
Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, dia ho tahaka an’i Sodoma tokoa i Moaba, ary ny taranak’i Amona dia ho tahaka an’i Gomora, ho toerana feno ahi-dratsy sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; ny sisa amin’ny oloko no hamabo azy ary ny sisa amin’ny fireneko no hahalasa azy.
malagasy