Zephaniah 3:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy any andafin’ny onin’i Etiopia no hitondran’ny mpivavaka Amiko, dia ny zanakavavin’ireo izay naeliko, ny fanatitra ho Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny fa hatrany an-dafin’ny onin’i Etiôpia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.»
Malagasy Bible 1865
Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy any andafin’ny onin’i Etiopia no hitondran’ny mpivavaka Amiko, dia ny zanakavavin’ireo izay naeliko, ny fanatitra ho Ahy.
malagasy
Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy. [Na: hitondran'ny mpivavaka amiko... ny fanatitra ho ahy]