Zephaniah 3:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia tsy hitsanga-menatra ianao ny amin’izay nataonao rehetra, izay nanotanao Tamiko; fa hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana ary tsy hiavonavona ao amin’ny tendrombohitro masina intsony ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin’izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia tsy hitsanga-menatra ianao ny amin’izay nataonao rehetra, izay nanotanao Tamiko; fa hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana ary tsy hiavonavona ao amin’ny tendrombohitro masina intsony ianao.
malagasy