Zephaniah 3:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao. NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’i Iaveh, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. I Iaveh, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana izay nitambesatra taminareo; Izy efa nampandositra ny fahavalonareo. Ny TOMPO, mpanjakan’i Israely, no momba anareo ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
Malagasy Bible 1865
Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao. NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony ianao.
malagasy
Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.