Zephaniah 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy; hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy; hangina amin’ny fitiavany Izy; hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao; mahery Izy ka hampandresy anao. Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy; ny fitiavany no anavaozany anao; noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
Malagasy Bible 1865
Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy; hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy; hangina amin’ny fitiavany Izy; hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy.
malagasy
Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [Heb. hangina]