Zephaniah 3:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina; satria isan’ny anao ireny, itambesaran’ny latsa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toy ny amin’ny andro fety.» Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana, hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
Malagasy Bible 1865
Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.
malagasy
Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy. [Na: efa lavitra] [Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny]