Zephaniah 3:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hasiako izay rehetra nampahory anao; hovonjeko ny mandringa ary hovoriko ny noroahina. Hataoko ho fiderana sy ho voninahitra ireny, any amin’ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany hofaranako ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro tonga ny fotoana hamelezako izay rehetra nampahory anareo. Hotsaboiko ny maratranareo, hampodîko ny voasesitany; eny, havadiko ho voninahitra sy laza ny fanaovana tsinontsinona anareo tany amin’ny tany rehetra.
Malagasy Bible 1865
Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hasiako izay rehetra nampahory anao; hovonjeko ny mandringa ary hovoriko ny noroahina. Hataoko ho fiderana sy ho voninahitra ireny, any amin’ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra.
malagasy
Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. [Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra]Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.