Zephaniah 3:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miverina; eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo. Fa hataoko ho voninahitra sy ho laza any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ianareo, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, hampodiko ianareo; ary amin’ny andro hanangonako anareo, hataoko malaza sy be voninahitra ianareo, any amin’ny firenena rehetra eto an-tany, rehefa hatsahatro ny fahababoanareo, eo imasonareo, hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany fotoana izany tokoa no hampodiako sy hamoriako anareo. Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo; homeko voninahitra sy laza ianareo any amin’ny firenena rehetra eto an-tany.»
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miverina; eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo. Fa hataoko ho voninahitra sy ho laza any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ianareo, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy NY TOMPO.
malagasy