Zephaniah 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO no marina ao afovoany, tsy manao izay tsy marina Izy. Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava ka tsy mba diso izany; nefa tsy mba mahalala henatra ny olona tsy marina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Marina i Iaveh eo afovoany, tsy misy tsy rariny ny ataony; mamoaka ny fitsaràny isa-maraina izy mba hanome ny fahazavana, ary tsy diso amin’izany izy na oviana na oviana; fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana no eo afovoan’ny tanàna; ka tsy manao faharatsiana Izy, fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany. Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!
Malagasy Bible 1865
Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.