Zephaniah 3:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nahafongana firenena Aho, rava ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda; nosimbako ny lalany ka tsy hisy mpandeha! Rava ny tanànany ka tsy misy olona; eny, tsy misy mponina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony, nataoko lao ny arabeny, ka tsy hisy mpandia intsony; voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony, tsy misy mponina na iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teny hentitra avy amin’ny TOMPO izao: «Nahafongana firenena maro Aho, narodako ny tilikambon’ny màndany, navelako ho foana ny làlany, ka tsy nisy mpandalo intsony; noravako ny tanànany ka tsy nisy mponina intsony.
Malagasy Bible 1865
Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nahafongana firenena Aho, rava ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda; nosimbako ny lalany ka tsy hisy mpandeha! Rava ny tanànany ka tsy misy olona; eny, tsy misy mponina.
malagasy
Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.