Zephaniah 3:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Aho: Raha mba natahotra Ahy tokoa mantsy ianao ka nino anatra dia tsy ho rava ny fonenanao araka izay rehetra namelezana anao. Kanefa nifoha vao maraina izy ka nanao izay ratsy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy aho: Hatahotra Ahy ahay ianao, handray ny anatra; dia tsy ho rava ny fonenany, araka izay rehetra notapahiko ny aminy. Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo hanimba ny asa rehetra ataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy Aho anakampoko: Raha manaja Ahy i Jerosalema ary mandray ny fampitandremako, dia tsy horavako ny fonenany araka ny fandrahonana nataoko taminy! Kanefa vao mainka nilomay hanao ratsy ihany izy iray tanàna.
Malagasy Bible 1865
Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Aho: Raha mba natahotra Ahy tokoa mantsy ianao ka nino anatra dia tsy ho rava ny fonenanao araka izay rehetra namelezana anao. Kanefa nifoha vao maraina izy ka nanao izay ratsy rehetra.
malagasy
Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.[Heb. fonenany] [Heb. azy]