Zephaniah 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ambara-piavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho mba hanamparako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra; koa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa andrasonareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - amin’ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia andrasonareo ny famaizako amin’ny andro hiaviako hiampanga anareo. Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra; ka handevona ny tany manontolo ny afon’ny fahasaro-piaroko.
Malagasy Bible 1865
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ambara-piavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho mba hanamparako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra; koa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
malagasy