Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin'ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony. Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako. Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana. Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao. Ary Hirama naniraka tany amin'i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny hazo kypreso. Ny vahoakako hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako. Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra nilainy. Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona isan-taona. Ary Jehovah nanome fahendrena an'i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy. Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin'ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy. Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra. Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato valo alina teny an-tendrombohitra, afa-tsy ny lehiben'ireo olona voatendrin'i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa. Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan'ny trano. Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.
What Does This Mean?
This verse talks about the construction of Solomon's temple. It mentions that Solomon's workers and Hiram's workers were busy cutting and shaping stones and preparing timber for the building. It shows the collaboration and hard work involved in building the temple.
Explained for Children
Imagine you and your friends are building a big treehouse. You and your friends from another neighborhood work together to cut and shape wood and find the perfect stones to make your treehouse strong and beautiful. That's what Solomon and Hiram's workers were doing to build a special house for God.
Historical Background
The Book of 1 Kings was written by unknown authors, likely in the 6th century BCE. It was written for the Israelites in exile, detailing the reigns of their kings. The temple was a central place of worship, and its construction was a significant event in their history.
Living It Out Today
In modern times, this verse can remind us of the importance of teamwork and collaboration in achieving a significant goal. Whether it's a community project or a school assignment, working together can help us accomplish more than we could alone.
Topics
constructionteamworkcollaborationworshipleadershipGod's house
Stonesquarers were skilled workers who shaped and cut stones to precise dimensions, making sure they were perfect for the construction of the temple.
Why is Hiram mentioned in this verse?
Hiram, likely the king of Tyre, was an ally of Solomon and provided skilled workers and materials for the temple construction, showing international cooperation.
How does this verse show the importance of preparation?
The verse highlights the preparation of materials and skilled labor needed to build the temple, emphasizing the importance of thorough planning and preparation for significant projects.
What can we learn about leadership from this verse?
Leadership involves bringing together different groups and ensuring they work harmoniously towards a common goal, as seen in the collaboration between Solomon and Hiram's workers.