Fa, indro, amin'ireo andro ireo sy amin'izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin'ny fahababoany, Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midina ao amin'ny Lohasahan'i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin'ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin'ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko, Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny. Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo, Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin'ny tempolinareo; Ary ny zanak'i Joda sy ny zanak'i Jerosalema dia namidinareo tamin'ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny. Indro, hofohaziko izy hiala ny amin'ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo, Ka hamidiko ho lasan'ny zanak'i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin'ny Sabeana kosa ireny, dia ho an'izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny. Antsoy any amin'ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra; Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho! Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midina ao ny maherinao, Jehovah ô. Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny. Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany. He izany vahoaka mireondreona ao amin'ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah ao amin'ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra, Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan'ny olony sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely. Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony. Amin'izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak'i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak'i Sitima. Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak'i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin'ny taniny. Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin'ny taranaka fara mandimby. Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
What Does This Mean?
In this verse from Joel, it talks about how people were selling others to the Greeks so that they could be taken far away from their home land. This is a message of condemnation for those who exploit and mistreat others.
Explained for Children
Imagine if someone took your favorite toy and sold it to another kid in a different city just because they wanted you to feel sad or lost. That's kind of what this verse is talking about, but with people instead of toys.
Historical Background
Joel, the prophet, wrote this around 835-796 BC. He was addressing the Israelites who were facing severe judgment for their sins. The context involves the exploitation and mistreatment of fellow Jews by selling them to foreign nations like Greece.
Living It Out Today
In today's world, we see similar issues where people exploit others for personal gain or power. This could be in the form of human trafficking or labor abuses. It reminds us to stand against such injustices and support those who are mistreated.
The people being condemned are those who sold fellow Jews to the Greeks, showing a lack of compassion and exploiting others for personal gain.
Why were they selling the children far away?
They wanted to remove them from their homeland, possibly out of cruelty or for economic reasons, which was a significant act of oppression.
How does this verse relate to modern issues?
This verse can be seen as speaking against human trafficking and labor abuses, where people are exploited for personal gain, much like selling someone far from their home in ancient times.
What should believers do according to the message of Joel 3:6?
Believers should stand up against injustice and oppression, showing compassion and taking action to help those who are exploited or mistreated by others.