Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora. Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra. Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany. Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo. Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo. Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo. Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo tehina ireo. Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala. Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy. Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony. Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra. Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?
What Does This Mean?
This verse is a statement from the people, expressing concern about the strictness of the rules around the tabernacle. They fear that anyone who comes close to it will die. The message highlights their worry about the severe consequences of approaching the sacred place.
Explained for Children
Imagine if you had to be extra careful around a special toy, and if you got too close, you might break it. The people felt the same way about God's special house, but they were worried they might accidentally do something wrong and get hurt.
Historical Background
Numbers 17 was written by Moses around 1440 BC, detailing the aftermath of a rebellion. The audience was the Israelites, who were concerned about the severity of the divine rules regarding the tabernacle and the consequences of breaching them.
Living It Out Today
In modern times, this verse can remind us about the importance of respecting boundaries and following guidelines in our lives. For example, in a workplace, certain areas might be off-limits to prevent accidents or damage; respecting these boundaries is crucial.
What does Numbers 17:13 teach about approaching sacred places?
It highlights the importance of respecting the boundaries set around sacred places to avoid severe consequences. It reminds us to be cautious and mindful of the sanctity of these spaces.
How does Numbers 17:13 relate to the overall message of Numbers?
The verse is part of the broader narrative of Numbers, which deals with the challenges and rules faced by the Israelites. It emphasizes the seriousness of adhering to divine instructions.
What can we learn about divine rules from Numbers 17:13?
We can understand that divine rules are not arbitrary but are set for the protection and well-being of the people. They require strict adherence to avoid negative outcomes.
How does Numbers 17:13 apply to modern worship practices?
It encourages modern worshippers to respect the sanctity of places of worship and adhere to the guidelines set by religious authorities to maintain a sacred atmosphere.