Ezekiel 31:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ny fitoeran’ny maty ho any amin’izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ireo izay nianteherany ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony teo amin’ny firenena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin’ny Seoly, nankany amin’ireo matin’ny sabatra, izay sandriny, sy nipetraka teo amin’ny alokalony, teo afovoan’ny firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ireo hazo ireo dia nidina niaraka tamin’ilay sedera ho any amin’ny toeran’ny maty eo akaikin’izay maty an’ady; satria ireo no hery manohana ilay sedera sy nivelona tambanin’ny alokalony teo anivon’ny firenen-tsamihafa.
Malagasy Bible 1865
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ny fitoeran’ny maty ho any amin’izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ireo izay nianteherany ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony teo amin’ny firenena.
malagasy
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.[Heb. sheola]Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.