bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Ezekiel 6
Ezekiel 6
Malagasy Bible 1865
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 7 →
1
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2
Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
3
ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
4
Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;
5
Ary ny fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
6
Any amin'ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.
7
Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8
Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.
9
Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
10
Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
11
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
12
Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
13
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;
14
Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48