bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Hosea 1
Hosea 1
Malagasy Bible 1865
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
1
Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely.
2
Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
3
Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4
Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.
5
Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.
6
Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
7
Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
8
Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9
Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14