bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Jonah 2
Jonah 2
Malagasy Bible 1865
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
1
Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.
2
Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona
3
ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.
4
Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
5
Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
6
Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
7
Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
8
Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.
9
Izay mivavaka amin'ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
10
Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4