bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Revelation 16
Revelation 16
Malagasy Bible 1865
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
1
Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
2
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
3
Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.
4
Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
5
Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;
6
fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
7
Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
8
Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.
9
Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
10
Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
11
dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany.
12
Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.
13
Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka.
14
Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
15
(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.)
16
Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
17
Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
18
Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
19
Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany.
20
Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
21
Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22