bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Song of Solomon 7
Song of Solomon 7
Malagasy Bible 1865
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
1
Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima.
2
Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.
3
Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
4
Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
5
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.
6
Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!
7
Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao!
8
Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.
9
Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,
10
Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.
11
An'ny malalako aho, sady manina ahy izy.
12
Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
13
Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao. Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8