bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Zechariah 10
Zechariah 10
Malagasy Bible 1865
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
1
Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2
Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
3
Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
4
Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
5
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
6
Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
7
Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony.
8
Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9
Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina
10
Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
11
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.
12
Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14