bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Corinthians 8
1 Corinthians 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
1
Ny amin’ny hena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika ihany, fa samy manam-pahalalana isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso.
2
Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy.
3
Fa raha misy tia an’Andriamanitra kosa dia fantany io.
4
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
5
Na dia maro aza no antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra maro sy Tompo maro),
6
iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
7
Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra, fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany, ka nony mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy, dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy.
8
Raha izay hanina fotsiny aloha dia tsy mampaninona antsika amin’Andriamanitra akory, fa mihinana isika, tsy mahazo tombony; tsy mihinana koa, tsy maty antoka.
9
Tandremo anefa sao manafintohina ny malemy izany fahafahanareo izany.
10
Satria, raha ianao efa mahalala izao, no hitan’ny olona mipetraka eo amin’ny tempolin-tsampy, moa ny kônsiansin’izay mbola malemy va tsy hampihinana azy ny hena naterina tamin’ny sampy?
11
Ka very ny malemy noho ny fahalalanao, dia ny havana iray finoana nahafoizan’i Kristy ny ainy.
12
Ary raha manota amin’ny havanao toy izany ianao, sy manimba ny kônsiansiny mbola malemy, dia manota amin’i Kristy.
13
Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny havako.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16