bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Thessalonians 3
1 Thessalonians 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
1
Dia tsy naharitra intsony izahay, ka naleonay nitoetra irery tany Atenina,
2
fa nalefanay i Timote rahalahinay sy mpandraharahan’Andriamanitra amin’ny Evanjelin’i Kristy hankahery fo anareo sy hamporisika anareo haharitra amin’ny finoanareo,
3
sao misy mihontsina akory amin’izao fahoriana izao nefa izao no anjarantsika, araka ny efa fantatrareo rahateo.
4
Fa fony mbola teo aminareo ihany izahay no efa nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy ampahorîna, ary hitanareo izao fa tanteraka tokoa izany.
5
Hany ka tsy naharitra terỳ aho, fa naniraka mpampitsapa ny finoanareo, sao dia nasian’ny mpaka fanahy ianareo ka ho very foana ny fisasaranay.
6
Kanjo ankehitriny, nony tonga avy tatỳ aminareo i Timote, dia nolazainy tsara tatỳ aminay avokoa ny amin’ny finoanareo, ny fitiavanareo, ny fahatsiarovanareo anay tsara mandrakariva, ny fanirianareo hahita anay, toy ny anirianay hahita anareo,
7
ka noho izany rehetra izany, ry kristianina havana, dia afaka alahelo ny aminareo izahay, teo amin’ny fahaterena amam-pahorianay rehetra, noho ny finoanareo;
8
velona terỳ izahay izao, mahita anareo maharitra tsara ao amin’ny Tompo.
9
Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an’Andriamanitra, noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitra!
10
Endrey, izany fangatahanay an-kafanam-po lehibe andro aman’alina hahita tava anareo, sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo!
11
Enga anie ka ny Tenan’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompontsika no hanitsy lalana anay ho atỳ aminareo;
12
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
13
Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5