bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Timothy 2
1 Timothy 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
1
Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
2
ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.
3
Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
4
Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
5
Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
6
izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,
7
ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
8
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
9
Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,
10
fa asa soa araka ny mety amin’ny vehivavy mpivavaka.
11
Aoka hangina ny vehivavy raha ampianarina, ka hanaiky tsara;
12
fa tsy avelako hampianatra ny vehivavy, na handidy ny lehilahy, fa hangina ihany.
13
Satria i Adama no natao voalohany, vao i Eva;
14
ary tsy i Adama no voafitaka, fa ny vehivavy voafitaka no tonga nanota;
15
nefa hovonjena ihany izy, noho ny fiterahan-jaza, raha tahiny maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamarinana amam-pahalalana onony.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6