bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Corinthians 6
2 Corinthians 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
1
Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo;
2
fa hoy izy: Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho; ary tamin’ny androm-pamonjena, namonjy anao Aho: indro, ankehitriny no fotoana tsara; indro, ankehitriny no androm-pamonjena
3
sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,
4
fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana,
5
amin’ny kapoka, amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;
6
ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
7
toriteny marina, ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
8
na omem-boninahitra na alàm-baraka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
9
sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;
10
ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.
11
Ry Kôrintianina ô! misokatra aminareo ny vavanay, ary malalaka koa ny fonay.
12
Ny ato anatinay tsy mba ety ho anareo, fa ny ao am-ponareo no nataonareo ety,
13
ka mbà mamaly toy izany, fa zanaka no itenenako ianareo: mba halalaho koa ny fonareo.
14
Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina?
15
Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Na inona no iombonan’ny mpino amin’ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan’ny Tempolin’Andriamanitra sy ny sampy?
16
Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
17
Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;
18
dia horaisiko ianareo, ka Izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13