bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 John 1
2 John 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
1
Izaho anti-dahy, mamangy an’Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako araka ny marina - ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa, -
2
noho ny fahamarinana izay mitoetra ao amintsika sy ho ao amintsika mandrakizay:
3
ho ao amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana, avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray!
4
Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
5
Ary ankehitriny mihanta aminao aho, Tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika.
6
Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana.
7
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.
8
Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
9
Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra; fa izay mitoetra amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10
Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory.
11
Fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.
12
Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho fa tsy tiako atao an-taratasy na amin’ny ranomainty izany, fa ho any aminareo aho, ka dia hiteny mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafalianareo.
13
Manao veloma anao ny zanaky ny rahavavinao voafidy.
Jump to:
Chapter 1
All chapters:
1