bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Thessalonians 1
2 Thessalonians 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonika izay tafaray ao amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo:
2
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
3
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
4
Tonga reharehanay any amin’ny Eglizin’Andriamanitra ianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza.
5
Famantarana ny hamarinan’ny fitsaran’Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan’Andriamanitra izay antony iaretanareo ianareo.
6
Satria, moa tsy izao va no rariny amin’Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an’izay mampahory anareo,
7
sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahorina, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan’ny afo miredareda, i Jesoa Tompo mbamin’ny Anjelin’ny heriny,
8
hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra, sy tsy mankatò ny Evanjelin’i Jesoa Tompontsika?
9
Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,
10
amin’ny andro hahatongavany, mba hanomezam-boninahitra Azy eo amin’ny olo-masiny, sy higagàna Azy eo amin’izay rehetra nino; ary ianareo dia nino ny fanambarànay ny Evanjely tao aminareo.
11
Mandra-piavin’izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon’ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo ianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo,
12
ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan’ny Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3