bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Haggai 2
Haggai 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
1
Tamin’ny volana faha-7, andro faha-21n’ny volana, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
2
Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà, sy amin’i Jesosy zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:
3
Iza aminareo sisa velona, no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha, sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny? Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?
4
Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela, - teny marin’i Iaveh. - Matokia, ry Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe! Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany, - teny marin’i Iaveh, - ary miasà! fa momba anareo Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
5
Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.
6
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela, no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany, - mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.
7
Hanozongozona ny firenena rehetra Aho ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy i Iavehn’ny tafika.
8
Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
9
Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
10
Tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
11
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mangataha amin’ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe:
12
Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. -
13
Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.
14
- Dia niteny indray i Akjea nanao hoe: Toy izany ity vahoaka ity, toy izany ity firenena ity eo anatrehako, - - teny marin’i Iaveh; - toy izany ny asa rehetra ataon’ny tanany; izay ateriny eo dia maloto.
15
Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany; dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa, natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.
16
Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo afa-tsy folo; ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana, tsy nahazo afa-tsy roapolo.
17
Nasiako tamin’ny vary maty fotsy, sy ny ahi-dratsy aman-kavandra ianareo; nasiako avokoa ny asan-tananareo; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
18
Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany, ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh, diniho!
19
Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra? Na ny voaloboka aza, na ny aviavy, na ny ampongabendanitra, na ny ôliva, tsy misy nahavokatra kely akory; fa hatramin’izao andro izao kosa, dia hotahìko ianareo.
20
Tonga fanindroany tamin’i Akjea ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro faha-24n’ny volana nanao hoe:
21
Lazao amin’i Zôrôbabela, governora any Jodà, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;
22
haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy; ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.
23
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ka hataoko toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko ianao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
All chapters:
1
2