bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
John 2
John 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 3 →
1
Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa.
2
I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady.
3
Nony inona, lany ny divay, ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: «Tsy manan-divay izy ireo.»
4
Ary hoy i Jesoa taminy: «Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.»
5
Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.»
6
Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy,
7
ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Fenoy rano ireo siny ireo.» Dia nofenoiny hatramin’ny molony.
8
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.» Dia nentiny.
9
Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra
10
ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.»
11
Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
12
Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
13
Ary akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
14
Hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
15
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,
16
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.»
17
Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: «Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko.»
18
Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe: «Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?»
19
Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe: «Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.»
20
Ka hoy ny Jody: «Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity, ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e?»
21
Ny Vatany anefa no Tempoly nolazainy.
22
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.
23
Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
24
nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy.
25
sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21