bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jonah 2
Jonah 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
1
Naniraka hazandrano lehibe anankiray i Iaveh hitelina an’i Jônasy; ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasy, hateloana andro sy hateloana alina.
2
Dia nivavaka tamin’i Iaveh Andriamaniny i Jônasy, tao an-kibon’ny hazandrano,
3
ka nanao hoe: «Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary namaly ahy Izy; nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly, ka nihaino ny feoko Ianao.
4
Natsipinao tany amin’ny hantsana aho, dia tany anatin’ny ranomasina, ka ny riaka nanodidina ahy; ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra nandeha teo amboniko.»
5
Dia hoy aho hoe: Voaroaka tsy ho eo imasonao aho; nefa mbola hibanjina ny Tempolinao masina.
6
Ny rano nanery ahy hatramin’ny aiko; ny hantsana be nanodidina ahy; ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako.
7
Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro ô!
8
Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Iaveh aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.
9
Izay miraiki-po amin’ny zava-poana tsinontsinona dia mandao ilay fototry ny famonjena.
10
Fa izaho kosa, dia amin’ny feo fiderana Anao, no hanolorako sorona Aminao; ary ny voady nataoko hoefaiko. An’i Iaveh ny famonjena!
11
Dia nandidy ilay hazandrano i Iaveh, ka naloan’ny hazandrano teny amin’ny tany i Jônasy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4