bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Nahum 3
Nahum 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Loza ho an’ny tanàna mpandatsa-dra, feno fanambakana amam-pahasiahana tsy mitsahatra amin’ny halatra!
2
Injany re ny firivirìvin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia, ny katrokatroky ny soavaly, ny fiantraitraikan’ny sarety!
3
Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra, lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa... Voafingampingan’ny faty ny olona!
4
Ny nahatonga izany, dia noho ny fijangajangana maro be nataon’ilay vehivavy janga, feno zavatra mahafinaritra manangoly, kinga amin’ny fankatoavana, izay nivarotra firenena amin’ny fijangajangany sy vahoaka amin’ny fankatoavany.
5
Inty Aho izao manohitra anao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika; - haingaiko hatrany amin’ny tavanao ny rambon’ny akanjonao, haharihariko amin’ny firenena ny fitanjahanao, ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.
6
Hotsipazako loto ianao, sy halàko baràka, sy hataoko fijerin’ny olona ianao.
7
Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe: Rava i Niniva! Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?
8
Moa ianao tsara noho i No-Amôna izay nipetraka teo amin’ny ony, nohodidinin’ny rano, nanana ny ranomasina ho mandany, sy ny rano be ho tambohony?
9
I Etiôpia no heriny, mbamin’i Ejipta koa, ary be tsy hita isa ireny; i Foty sy ny Libianina no mpanampy anao.
10
Mba lasana voasesitany ihany anefa, ary nentin-ko babo izy; ny zanany madinika koa notorotoroina, teny an-joron-dalambe rehetra teny; ny olo-malazany nanaovana filokana, ary ny lehibeny rehetra nivesatra gadra avokoa.
11
Ianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony; ianao koa eo anatrehan’ny fahavalo hitady fialofana.
12
Ny tanànanao mimanda mafy rehetra dia aviavy misy voany masaka hozongozonina dia miraraka eo am-bavan’izay te-hihinana azy ireny.
13
Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao; eo anoloan’ny fahavalonao, dia hivoha midanadana ireo vavahadin’ny taninao; levon’ny afo ny hidinao.
14
Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano; hamafiso ny manda, manditia tanimanga, mihose tanidilatra, raiso ny lasitra hanaovana biriky.
15
Any no handevonan’ny afo anao, handripahan’ny sabatra anao. Any no hihinanany anao, toy ny ieleka na dia ho maro toy ny ieleka aza ianao, sy ho betsaka toy ny valalavao.
16
Nampitombo isa ny mpandrantonao ianao, mihoatra noho ny kintana eny an-danitra; mikopaka elatra ny ieleka dia lasa manidina.
17
Ny mpiambinao no toy ny ieleka ary ny mpanapaka anao no toy ny valala vao, miavosa, mipetraka eny amin’ny fefy izy, amin’izay andro mangatsiaka; fa lasa mandositra raha vao miposaka ny masoandro, ka tsy fantatra intsony izay nisy azy; nankaiza izy?
18
Rendremana ny mpiandrinao, ry mpanjakan’i Asiria; mivalandotra ny lehilahy maherinao; mihahaka eny an-tendrombohitra ny vahoakanao; sady tsy misy olona mamory azy.
19
Tsy lai-panafody ny ratranao; ratsy ny ferinao; izay rehetra hitantarana ny nanjò anao, hiteha-tanana noho ny aminao avokoa; satria zovy moa no tsy niharan’ny hasomparanao lava izao?
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3