bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Nehemiah 11
Nehemiah 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
1
Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.
2
Ary nisaoran’ny vahoaka izay rehetra nanolo-tena ho azy, honina ao Jerosalema.
3
Izao no loham-pianakaviana avy any ambanivohitra tonga nonina tao Jerosalema. Tany amin’ny tanànan’i Jodà, samy nonina teo amin’ny taniny aman-tanànany avy: dia i Israely, ny mpisorona sy ny Levita ary ny Natineanina mbamin’ny mpanompon’i Salômôna.
4
Ny niorim-ponenana tao Jerosalema dia ny avy amin’ny taranak’i Jodà sy i Benjamina. Avy amin’ny taranak’i Jodà: i Ataiasa zanak’i Aziama zanak’i Zakaria zanak’i Amariasa zanak’i Safatiasa zanak’i Malaleela, avy amin’ny taranak’i Faresa;
5
ary i Maasiasa zanak’i Baròka zanak’i Kolozà zanak’i Haziasa zanak’i Adaiasa zanak’i Joiariba zanak’i Zakaria zanak’i Selà.
6
Lehilahy mahery 468 no totalin’ny avy amin’ny taranak’i Faresa tonga nonina tao Jerosalema.
7
Ary izao no taranak’i Benjamina: i Seloma zanak’i Mosolama zanak’i Joeda zanak’i Fadaiasa zanak’i Kolaiasa zanak’i Maaiasa zanak’i Eteela zanak’i Isaia;
8
ary manarakaraka azy: i Gebay-Selaỳ: 928 izy.
9
I Joela zanak’i Zekri no mpifehy azy; ary i Jodà zanak’i Senoà no lefitry ny komandin’ny tanàna.
10
Avy amin’ny mpisorona: i Idaiasa zanak’i Joiariba,
11
i Jashina, i Saraiasa zanak’i Helkiasa zanak’i Mosolama zanak’i Sadôka zanak’i Meraiota zanak’i Akitoba, andriandahy amin’ny tranon’Andriamanitra,
12
mbamin’ny rahalahin’ireo, izay nanao ny raharaha tao an-trano: 822; i Adaiasa zanak’i Jerohama zanak’i Feleliasa zanak’i Amsỳ, zanak’i Zakaria zanak’i Fasora zanak’i Melkiasa,
13
mbamin’ireo rahalahiny, samy loham-pianakaviana: 242; ary i Amasaì zanak’i Azreela zanak’i Ahazy zanak’i Mosolamota, zanak’i Emera,
14
mbamin’ny rahalahin’ireo, samy lehilahy mahery: 128. I Zabdiela zanak’i Hagdolima no mpifehy azy ireo.
15
Avy amin’ny Levita: i Semeiàsa zanak’i Hasoba zanak’i Ezrikama zanak’i Asabiasa zanak’i Bonỳ;
16
i Sabataỳ sy i Jizabada, anisan’ny lohan’ny Levita, tonian’ny raharaha teo ivelan’ny tranon’Andriamanitra;
17
i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna.
18
Ary nisy 284 no totalin’ny Levita tao amin’ny tanàna masina.
19
Ary ny mpiandry varavarana dia i Akoba, i Telmôna, mbamin’ireo rahalahiny, mpiambina ny vavahady: 172.
20
I Israely sisa, ny mpisorona ary ny Levita dia tany amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, samy tany amin’ny zara taniny avy.
21
Ny Natineanina dia nonina teo amin’ny faritanin’i Ofela: i Sihà sy i Gasfà no nifehy ny Natineanina.
22
Ny mpifehy ny Levita tao Jerosalema, dia i Azỳ zanak’i Banỳ zanak’i Hasabiasa zanak’i Mataniasa zanak’i Mikà, anisan-taranak’i Asafa, ireo mpihira niadidy ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra.
23
Fa nisy didin’ny mpanjaka ny amin’izy ireo, sy karama voafetra homena ny mpihira isan’andro.
24
I Faratiasa zanak’i Mesezebela, isan-taranak’i Zarà, zanak’i Jodà kosa no mpanao raharahan’ny mpanjaka, amin’ny raharaha rehetra momba ny vahoaka.
25
Ny amin’ny tanàna sy ny tany momba azy dia izao no nonenan’ny zanak’i Jodà: i Kariata-Arbe, mbamin’ny vohitra momba azy, i Dibôna mbamin’ny vohitra momba azy, i Kabseela, mbamin’ny zana-bohiny;
26
i Jesoe, i Môladà, i Bet-Faleta;
27
i Hasersoala, i Bersabea, mbamin’ny vohitra momba azy;
28
i Sekelega, i Mokônà, mbamin’ny vohitra momba azy;
29
i En-Remôna, i Saraà, i Jerimota,
30
i Zanôla, i Odolama, mbamin’ny zana-bohitr’ireo; i Lakisa mbamin’ny tany momba azy, i Azekà mbamin’ny vohitra momba azy. Hatrany Bersabea ka hatrany amin’ny lohasahan’i Enôma no nonenany.
31
Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin’ny vohitra momba azy;
32
tany Anatôta, Nobà Ananià
33
Asôra, Ramà, Getaima, Hadida,
34
Seboima, Nebalata, Loda,
35
ary Onô, amin’ny lohasahan’ny Mpanao taozavatra;
36
tamin’ny Levita, izay anisan’ny antokon’i Jodà, dia nisy nitambatra tamin’i Benjamina
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13