bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Romans 13
Romans 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.
2
Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.
3
Tsy mba ny asa tsara no atahorana ny mpifehy, fa ny ratsy atao ihany. Ka raha tsy te hatahotra ny mpifehy ianao, dia ny tsara no ataovy, fa hahazo dera aminy ianao,
4
satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy.
5
Koa ilaina àry ny manaiky, tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny hitsim-po koa.
6
Noho izany ihany koa no andoavanareo hetra; fa mpanao raharahan’Andriamanitra ny mpifehy, milozoka amin’izay raharahany.
7
Koa ataovy amin’izy rehetra àry izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ary haja ho an’izay tokony hohajaina.
8
Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
9
Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
10
Ny fitiavana, no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.
11
Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.
12
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.
13
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
14
fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16