bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ruth 3
Ruth 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Dia hoy i Nôemì rafozany taminy: «Te hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka.
2
Ary amin’izao moa tsy havantsika va i Booza, tompon’ny ankizy vavy niarahanao? Indro fa hikororòka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina.
3
Koa mandroa ianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna eny am-pamoloana. Aza atao hitany anefa ianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy.
4
Nony injay handeha handry izy, kendreo tsara izay toerana handriany dia midira ao, ka sokafy ny firakofany eo an-tongony ary mandria eo, fa holazainy aminao izay hataonao.»
5
Dia hoy razazavavy namaly azy: «Eny, fa hataoko avokoa izay asainao ataoko.»
6
Dia nidina nankany am-pamoloana izy, ka nanao izay rehetra nasain-drafozany natao.
7
Nihinana sy nisotro i Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarỳ amin’ny faran’ny antontan’amboaram-bary, nitsaitsaika nanatona i Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
8
Nony nisasaka ny alina, taitra ralehilahy ka niondrika ka indro nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
9
Dia hoy izy: «Iza izato?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no Rota ankizy vavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizy vavinao, fa havana mahazo manavotra ianao.»
10
Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.
11
Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betlehema fa vehivavy tsara toe-panahy ianao.
12
Ary amin’izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho.
13
Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha te hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona i Iaveh! Fa mandria eo mandra-paharainan’ny andro».
14
Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-paharainan’ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy hahafantaran-dahy, fa hoy i Booza: «Aoka tsy ho fantatr’olona akory fa tatỳ am-pamoloana ity vehivavy ity.»
15
Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.
16
Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?» Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.
17
«Ary nomeny ity orja inenin’ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny ianao».
18
Ka hoy i Nôemì: «Mijanòna eto, anaka, mandra-pahitanao izay hiafaran’izany, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.»
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4