bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Zephaniah 2
Zephaniah 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Mitombena saina, mieritrereta ao anatinareo, ry karazan’olona lany henatra,
2
alohan’ny hiterahan’ny biby sy hihelenan’ny andro toy ny mololo; alohan’ny hiharan’ny firehitry ny fahatezeran’i Iaveh aminareo, alohan’ny hidonan’ny andron’ny fahaviniran’i Iaveh aminareo.
3
Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!
4
Fa i Gazà hafoy; i Askalôna hanjary efitra; i Azota horoahina mitataovovonana; ary i Akarôna hofongorana.
5
Loza ho an’ny mponina any amin’ny faritanin’ny ranomasina, dia ny firenenan’ny Kretoà! Efa voatonona ny tenin’i Iaveh mamely anareo ry Kanaàna, tanin’ny Filistinina: Ary haringako ianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.
6
Ny faritanin’ny ranomasina hanjary tany fiandrasana ondry sy zohin’ny mpiandry ondry, ary valan’ondry.
7
Ho faritany ho an’ny sisa amin’ny taranak’i Jodà izany, hiandry ny ondriny eo izy; dia handry ao amin’ny tranon’i Askalôna nony hariva, fa hamangy sy hanangana azy indray i Iaveh Andriamaniny.
8
Reko avokoa ny fanevatevan’i Moaba sy ny fanaratsian’ny taranak’i Amôna, izay nanevateva ny vahoakako, sy nitatra nihoby taminy teny amin’ny sisin-taniny.
9
Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.
10
Izany no hihatra aminy dia noho ny avonavony, satria naneso sy niangiangy tamin’ny vahoakan’i Iavehn’ny tafika.
11
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.
12
Ianareo koa, ry Etiôpianina!... Ho voatrobaky ny sabatro izy ireo.
13
Haninji-tanana hamely ny Avaratra koa izy, handringana an’i Asora, ary hahalao an’i Niniva, ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra.
14
Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy ny biby isan-karazany; ny sama sy ny sokina vy no haka fonenana any amin’ny loha andriny; hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely; ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.
15
Io no ilay tanàna niravoravo, nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe: Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho! Ahoana no nanjariany ho efitra, sy fonenan’ny biby! Na iza na iza handia azy, dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3