bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 John 1
1 John 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
1
Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.
2
Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay.
3
Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo fiombonana aminay koa; fa izahay dia miombona amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany.
4
Izany no soratanay aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.
5
Izao no hafatra renay tamin’i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy.
6
Raha milaza ho manam-piombonana amin’Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin’ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra.
7
Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.
8
Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra.
9
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany.
10
Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an’Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5