bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Peter 5
1 Peter 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
1
Mananatra ny loholom -piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho.
2
Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,
3
tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry;
4
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
5
Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»
6
Koa manetre tena eo ambany tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro voatendriny.
7
Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
8
Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.
9
Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan’ny havanareo mpino eran’ izao tontolo izao.
10
Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon’ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo.
11
Ho Azy Andriamanitra anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.
12
Amin’ny alalan’i Silasy, rahalahy mahatoky, no nanoratako fohifohy taminareo; mananatra anareo aho sy manambara aminareo fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra, ka tomoera tsara amin’izany.
13
Manao veloma anareo ilay Fiangonana rahavavy eto Babilôna, ilay Fiangonana voafidin’Andriamanitra miaraka amin’ny anareo. Manao veloma anareo koa i Marka zanako.
14
Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pifankatiavana. Ao aminareo rehetra tafaray amin’i Kristy ny fiadanana!
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
All chapters:
1
2
3
4
5