bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Thessalonians 2
2 Thessalonians 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Ny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika sy hanangonana antsika ho eo aminy, ry havana, dia izao no angatahinay aminareo:
2
aza mety hohozongozonin-tsaina na hampitahorina mora foana ianareo, satria misy milaza fa efa tonga sahady ny andro hiavian’ny Tompo. Mety ho fanomezam-pahasoavana hampita hafatra avy amin’Andriamanitra na mety ho toriteny no nilazan’olona izany taminareo, na mety koa ho taratasy hamboina ho avy aminay.
3
Aza mety hofitahin’olona mihitsy ianareo; satria tsy ho tonga izany andro izany raha tsy efa mitranga ny fikomiana farany amin’Andriamanitra ary aseho ilay mpanao ratsy, ilay mirona amin’ny fahaverezana.
4
Hijoroan’ilay mpanao ratsy ho fahavalo sady hotoheriny avokoa izay rehetra ataon’ny olona ho andriamanitra na izay rehetra toloran’ny olona fanompoam-pivavahana; hidirany sy hipetrahany hatramin’ny tempolin’Andriamanitra aza, ka ny tenany no hanora-tena ho Andriamanitra.
5
Tsy tadidinareo ve fa voalazako anareo izany fony aho mbola tatỳ aminareo?
6
Fantatrareo izao ny zava-misakana ilay mpanao ratsy, mba tsy hisehoany raha tsy amin’ny fotoanandrony.
7
Eny, efa miasa tokoa ny hery miafin’ny fanaovan-dratsy; saingy tsy hitranga ilay mpanao ratsy raha mbola eo ihany ilay olona misakana azy.
8
Ary rehefa hiseho ilay mpanao ratsy, dia ny fofonaina avy amin’ny vavan’i Jesoa Tompo no hahafaty azy ary ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra no hanafoana azy.
9
Ombàn’ny herin’i Satàna no hiavian’ilay mpanao ratsy, ka hahavita karazan’asa mahagaga sy famantarana ary zava-mahatalanjona manodoka olona izy,
10
sady hampiasa haratsiam-panahy amin’ny endrika samihafa hahavoafitaka ireo ho very. Ho very ireo satria tsy nandray ary tsy nandala ny hafatra marim-pototra tokony ho nahavonjy azy;
11
koa dia ny fahadisoan-kevitra no nalefan’Andriamanitra hiasa mahery tao aminy mba hinoan’ireo ny lainga;
12
hany ka ho voaheloka avokoa izay rehetra tsy nino ilay hafatra marim-pototra fa finaritra nanao ratsy.
13
Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin’ny Tompo. Fa nofidin’Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo, ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan’ny Fanahy Masina mba ho an’Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra.
14
Izany no niantsoan’Andriamanitra anareo, tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly notorînay, mba hahazoanareo miombom-boninahitra amin’i Jesoa Kristy Tompontsika.
15
Koa mamahara tsara, ry havana, ary tano ny fampianarana natolotray anareo am-bava na an-taratasy.
16
Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin’ny alalan’ny fahasoavany
17
hampionona ny fonareo ary hampahery anareo hanao izay tsara rehetra na amin’ny asa na amin’ny teny.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3