bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Timothy 3
2 Timothy 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Aoka ho fantatrao fa any am-parany any dia hisy fotoana sarotra;
2
satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina,
3
tsy hifaditra ovana, tsy hitsimbina fihavanana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hisetrasetra, hankahala ny tsara,
4
ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an’Andriamanitra,
5
hitana ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana nefa mandà ny heriny. Halaviro ireny olona ireny!
6
Fa isan’ireny izay misokosoko miditra an-tranon’olona ka mambabo vehivavy adala ivangongoam-pahotana sy ifandroritam-pilàna maro,
7
vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana.
8
Tahaka ny nanoheran-dry i Janà sy i Jambrà an’i Mosesy no anoheran-dry zareo ny fampianarana marim-pototra; fa ireo dia olona efa maloto saina, ary ny finoany efa tsy azo antoka.
9
Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin’ny olona rehetra toy ny an’i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny.
10
Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny foto-pisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
11
ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin’ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan’ny Tompo tamin’izany rehetra izany aho.
12
Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.
13
Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.
14
Ianao kosa, mahareta tsara amin’izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany.
15
Hatramin’ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an’i Kristy Jesoa.
16
Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny,
17
mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4