bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Colossians 4
Colossians 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
1
Ianareo tompo, ento araka ny rariny sy ny hitsiny ny mpanomponareo; satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2
Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany ombàn’ny fisaorana an’Andriamanitra.
3
Mivavaha koa ho anay, mba hataon’Andriamanitra afaka malalaka mitory ny teniny izahay, ka hanambara ny tsiambaratelo momba an’i Kristy. Fa ny fitoriana izany tsiambaratelo izany indrindra no mahavoafonja ahy izao.
4
Mivavaha àry mba hanambaràko izany mazava tsara, araka izay tokony hoteneniko.
5
Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan’izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa.
6
Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.
7
I Tisiko hava-malalantsika, mpandraharaha mahatoky sady namana mpiray fanompoana amiko eo amin’ny asan’ny Tompo, dia hampahafantatra anareo ny vaovao rehetra momba ahy.
8
Izany indrindra no nandefasako azy atỳ aminareo, mba hahafantaranareo ny momba anay sy hampahery fo anareo.
9
Miaraka aminy koa i Ônesimo, ilay hava-malala sy mahatoky avy atỳ aminareo; ka dia izy roa lahy no hampahafantatra anareo ny toe-javatra rehetra atỳ aminay.
10
Manao veloma anareo i Aristarka izay miara-voafonja amiko. Manao veloma anareo i Marka (zanak’olo-mpiray tampo izy sy i Barnabà); efa nahazo hafatrafatra momba an’i Marka ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo.
11
Manao veloma anareo koa i Jesoa, ilay atao hoe Josta. Izy telo lahy ireo no Jiosy tonga kristianina izay miara-miasa amiko hampandroso ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka nanjary fampaherezana ho ahy tokoa.
12
Manao veloma anareo i Epafrà, izay avy atỳ aminareo; io mpanompon’i Kristy Jesoa io dia mikely aina mandrakariva mivavaka ho anareo, mba hijoroanareo ho olona matotra ary vonona tanteraka hanao izay rehetra sitrak’Andriamanitra.
13
Vavolombelona aho ny aminy fa misahirana fatratra izy ho anareo sy ho an-dry zareo any Laôdisia ary ho an-dry zareo any Hierapôly.
14
Manao veloma anareo i Lioka, ilay dokotera hava-malalantsika, sy i Demasy.
15
Veloma any amin’ireo havana any Laôdisia; ary veloma any amin’i Nimfà sy ny Fiangonana mivory ao an-tranony.
16
Rehefa voavaky eto aminareo ity taratasy ity, dia ataovy izay hamakiana azy koa any amin’ny Fiangonan’i Laôdisia; ary dia mba vakionareo kosa ilay taratasy avy any Laôdisia.
17
Lazao amin’i Arkipo fa tsy maintsy hotontosainy tsara ny fandraharahana noraisiny ho fanompoana ny Tompo.
18
Soratanako ireto teny ireto: veloma, hoy i Paoly. Tsarovy fa voafonja aho. Homba anareo anie ny fahasoavan’Andriamanitra!
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
All chapters:
1
2
3
4