bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Habakkuk 1
Habakkuk 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Izao no hafatra nampitondrain’Andriamanitra an’i Habakòka mpaminany.
2
Mandra-pahoviana, TOMPO ô, no hiantsoako vonjy aminao nefa tsy henoinao aho? Mandra-pahoviana tokoa re no hitarainako ny amin’ny herisetra nefa tsy vonjenao izahay?
3
Nahoana no ampahitanao faharatsiana maro aho? Nahoana no mijery fotsiny ny fahoriana Ianao? Fa ny hany manodidina ahy dia famoretana sy herisetra; ary fitsarana sy fifandirana no mipoaka hatraiza hatraiza.
4
Noho izany, dia tsy manan-kery ny lalàna; ary tsy mivoaka mandresy ny rariny. Tsy mahaleo ny ratsy fanahy ny olo-marina, ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.
5
«Banjinonareo ny hafa firenena, hoy ny Tompo. Ary aoka ianareo ho talanjona tokoa fa amin’izao andronareo izao no hanaovana asa izay tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.
6
Fa indro antsoiko ny Babilônianina, dia ilay firenena masiaka sy tsy mivatravatra; mitety faritra midadasika ireo hakàny ny tanin’ny sasany.
7
Mahatsiravina sy mahatahotra izy, fa ny tenany ihany no fenitra ipoiran’ny zony amam-pahefàny.
8
Faingam-pandeha noho ny leôparda ny soavaliny, ary kinga noho ny amboadia miremby takariva. Avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny no mitsamboamboatra ary mirimorimo toy ny voromahery miantoraka amin-kaza.
9
Handroba no ahatongavan’izy rehetra, ka ijereny fatratra ny eo anoloany ary anangonany babo maro tahaka ny fasika.
10
Tsy raharahany akory izay mpanjaka, ary dia ihomehezany ny mpanapaka. Tsy mampihontsina azy izay tanànamimanda; tovon-tany no asavovony, dia afany ireny.
11
Mitombo hafanampo izy, ka mbola manao heloka hatrany. Izany heriny izany no andriamaniny.
12
Hatrizay hatrizay tokoa dia Ianao no TOMPO, Ianao no Andriamanitro masina sady tsy mety maty! Ry TOMPO Vatolampy miaro ahy ô, notendrenao sy nohatanjahinao ny Babilônianina fahavalonay mba ho famaizana sy fananarana anay.
13
Nefa madio loatra ny masonao ka tsy mahajery ny ratsy; ary tsy tantinao koa ny mitazana fahoriana. Koa nahoana no jerenao fotsiny izay ataon’ny mpamitaka? Ary nahoana no mangina Ianao, Andriamanitro ô, raha aripaky ny olon-dratsy ny marina noho izy?
14
Nahoana re ny olombelona no ataonao toy ny trondro any an-dranomasina dia toy ireo biby mifanaretsaka tsy misy mpitarika?
15
Toy ny trondro azom-pintana na voafandrika am-bovo na voasarika amin’ny harato tarihina no amaboan’ny Babilônianina ireo olombelona; ary ifaliany sy iravoravoany tokoa izany.
16
Koa izany haratony izany no anaovany sorona izay dorany hanetona ho mari-panajana azy, satria fitaovana ahazoany sakafo matsiro sy matavy.
17
Mbola hanatsoaka sabatra hatrany ve ry zareo, ka handringana tsisy indrafo ny firenena maro?
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3