bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Haggai 1
Haggai 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 2 →
1
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:
2
–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ny vahoakan’ity firenena ity milaza fa tsy mbola tonga ny fotoana hananganana indray ny tranoko.»
3
Dia nisy indray tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny vahoaka izany ka nanao hoe:
4
–Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity?
5
Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo.
6
Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman’ny mpiasa dia mora lany toy ny amin’ny kitapo loaka.»
7
Izany no ilazan’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo.
8
Miakara any an-tendrombohitra, dia makà hazo ary atsangano indray ny tranoko. Ho sitrako sady hahazoako voninahitra izany, hoy AHO aminareo.
9
Vokatra betsaka no nantenainareo, nefa hitanareo fa kely no azo. Ary izay notaominareo dia notsofiko hiparitaka. Koa manontany hentitra anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Ahoana izany? Valiny: Satria rava ny tranoko nefa ianareo samy sahirana manao ny tranonareo avy.
10
Izany no tsy nisian’ny orana latsaka na zavatra naniry.
11
Nantsoiko ny fahamainana hamely ny tany: dia ny tendrombohitra, ny tanimbary sy ny tanimboaloboka ary ny tanin’ôliva sy ny tanimboly hafa; hahita faisana amin’izany koa ny olona mbamin’ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra nisasaran’ny tananareo.»
12
I Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky mbamin’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain’i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan’ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.
13
Dia araka ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ho an’ny vahoaka no nitenenan’i Hagay iraky ny TOMPO hoe: –Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.
14
Dia notairin’ny TOMPO ny risi-pon’i Zerobabela governoran’i Joda sy ny an’i Josoa mpisorombe ary ny an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon’ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamaniny,
15
tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, volana fahenina, andro faha-24.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 2 →
All chapters:
1
2