bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Lamentations 5
Lamentations 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
1
TOMPO ô, tsarovy izay nanjo anay, diniho sy jereo ny fandatsana anay.
2
Lasan’ny hafa ny tanindrazanay, lasan’ny vahiny ny tranonay.
3
Efa tsy eo intsony ny rainay ka tonga kamboty izahay, ary mpitondratena ny reninay.
4
Na dia ny lavaka fantsakanay aza dia tsy maintsy andoavanay vola vao azonay isotroana rano; ary vidînay koa ny kitainay vao azonay ampidirina.
5
Avy eo an-damosina ny mpanenjika anay ka trotraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
6
Nanolo-tanana tamin’i Ejipta sy i Asiria izahay mba ho voky hanina.
7
Nanota ny razanay kanefa tsy eo intsony izy; fa izahay no mivesatra ny helony.
8
Mpanompo no manapaka anay nefa tsy misy manafaka anay amin’ny fahefàny.
9
Manao vy very ny ainay izahay hahazoan-kanina noho ireo dahalo mirongo fiadiana any an-taniefitra.
10
Mahamay toy ny lafaoro ny hoditray satria ampijalijalian’ny mosary izahay.
11
Misy manolana ireo vehivavy ao Tsiôna mbamin’ireo virijiny any an-tanànan’i Joda.
12
Nahantona tamin’ny tanany ireo mpitondra; ary tsy mba nohajaina ny zokiolona.
13
Ny zatovo mitondra ny vato fikosoham-bary; ary ny ankizy mivembena mivesatra ny hazo.
14
Ny loholona nitsaha-nanao antenimiera; ary ny zatovo nitsaha-nitendry valiha.
15
Nitsahatra ny hafalian’ny fonay; niova ho fisaonana ny dihin-karavoanay.
16
Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay; idiran-doza izahay satria efa nanota!
17
Matoa rera-po izahay matoa jembin-dranomaso ny masonay,
18
dia noho ny tendrombohitr’i Tsiôna efa lao ka nanjary fonenan’ny amboadia.
19
Ianao kosa, TOMPO ô, dia mipetraka mandrakizay eo amin’ny sezafiandriananao; ary ny fanjakanao no maharitra amin’ny taonjato mifandimby.
20
Koa ahoana no anadinoanao anay hatrany sy andaozanao anay mandritra ny andro-piainanay?
21
TOMPO ô, ampivereno aminao izahay mba hiverenanay aminao tokoa; havaozy ny fiainanay ho toy ny fahiny.
22
Sa holavinao tanteraka ve izahay na hiharan’ny hatezeranao mihoa-pampana?
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
All chapters:
1
2
3
4
5