bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Timothy 2
1 Timothy 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
1
Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,
2
ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika am-piadanana sy mandry fehizay amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
3
Izany no tsara ka ankasitrahina eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4
izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.
5
Fa iray Andriamanitra ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona,
6
sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. Izany no zavatra ho fitory amin’ny fotoana voatendry.
7
Ho amin’izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly; milaza ny marina aho fa tsy mandainga; ary koa ho mpampianatra ny Jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.
8
Koa tiako mba hivavaka eny amin’izay rehetra misy azy eny ny lehilahy ka manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.
9
Toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, nefa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vatosoa na fitafiana sarobidy,
10
fa amin’ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.
11
Aoka mba hianatra amin’ny fahanginana ny vehivavy ka hanaiky tsara.
12
Fa ny vehivavy dia tsy avelako hampianatra na hifehy ny lehilahy fa hangina ihany.
13
Fa i Adama no natao voalohany, vao i Eva.
14
Ary tsy i Adama no voafitaka fa ny vehivavy no voafitaka ka tonga mpanota.
15
Nefa hovonjena ihany izy amin’ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahononan-tena.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6