bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
3 John 1
3 John 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
1
Izaho loholona no mamangy an’i Gaio, ilay malala, izay tiako amin’ny fahamarinana.
2
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
3
Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia ny fandehananao amin’ny marina.
4
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho dia ny andrenesako fa mandeha amin’ny marina ny zanako.
5
Ry malala, manao asa mahatoky ianao amin’izay rehetra ataonao amin’ireo rahalahy ireo na dia vahiny aza izy;
6
nambaran’ireo teo anatrehan’ny fiangonana ny fitiavanao. Soa no ataonao, raha mamatsy azy amin’ny diany koa ianao, araka izay mendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra.
7
Fa noho ny Anarana no niaingany, nefa tsy nandray na inona na inona avy tamin’ny Jentilisa izy.
8
Koa isika dia tokony handray tsara ny olona toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana isika.
9
Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho; nefa i Diotrefa, izay te ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
10
Koa amin’izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana.
11
Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra.
12
I Demetrio dia tsara laza amin’ny olona rehetra sy amin’ny fahamarinana koa; izahay koa manambara izany ary fantatrao fa marina ny fanambarànay.
13
Maro ny zavatra tiako ho nosoratana taminao nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ny ranomainty sy ny penina.
14
Fa manantena hahita anao faingana ihany aho dia hiresaka mifanatrika isika.
15
Ho aminao anie ny fiadanana! Ny namana atỳ dia manao veloma anao. Veloma amin’ny namana tsirairay araka ny anarany avy.
Jump to:
Chapter 1
All chapters:
1